Africa-Press – Madagascar. Manjaka tokoa raha ity trafika iray ity eto amintsika, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo efa saron’ireo mpitandro filaminana. Tany amin’iny tapany Avaratra iny dia rongony efa manodidina ny 5 taonina eo ho eo no sarona, raha aman-jatony kilao tany ho any ny tany amin’iny tapany Atsinanana iny. Raha ny fantatra dia rongony maina efa vita omana sy vonon-kaondrana ireto tratra ireto, izay mazàna ny fiafarany moa dia saika entina hamatsiana ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy avokoa. Vokatra azo avy tamin’ny hetsika manokana nataon’ny zandary moa no nahazoana izao fa tetsy andanin’izay ihany, ireo vaovao azon’ireo avy tamin’ny olona tsara sitrapo. Raha ny tany Ambanja iny izao, raha ny vaovao hatrany dia hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana, nandritra ny roa volana latsaka no nahatratrarana izao rongony aman-taoniny maro izao, tao amin’ny faritra antsoina hoe Agnalabe. Mbola menaka rongony ihany koa moa sarona tamin’izany. Tany amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana iny indray dia voalaza fa rongony eo amin’ny 158 kilao teo no saron’ireo zandary, tao Farafangana, noho ny fanangonam-baovao azon’izy ireo. Mbola tsy mitsahatra ny manentana ny rehetra hatrany moa ireo mpitandro filaminana amin’ny fanomezam-baovao hahafahana misoroka mialoha ny fiparitahan’itony zava-mahadomelina itony. Marihina fa samy nodorana sy nopotehina ny faran’ny herinandro teo avokoa ireto rongony ireto, araka ny voalazan’ny lalàna velona eto amintsika. Ary izany dia teo anatrehan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny avy tany amin’ireo faritra voalaza ireo. Efa maro tamin’ireo voarohirohy tamin’izao trafikan-java-mahadomelina izao kosa no efa voasambotra sy nadoboka am-ponja vonjimaika.
Pour plus d’informations et d’analyses sur la Madagascar, suivez Africa-Press