Africa-Press – Madagascar. Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany amin’ny distrikan’i Sambava, ny narain’ny 11 novambra teo, ka saika raikitra ny ady saritaka teo amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nahita maso sy ny talen-tsekoly iray, saingy nalaky voalamina haingana ny toe-draharaha, ka samy tony ny rehetra avy eo. Raha ny vaovao voaray, talen-tsekoly amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Analapenja, fokontany Antanifotsy II, no namely totohondry imasom-bahoaka ny mpianany iray 12 taona kilasy fahefatra (T4). Raha vao nahita izany ny olona dia nihoraka, satria nandritra ny fotoana fakan-drivotra no niseho ny famonoana, ka nisy tamin’ireo ray aman-dreny nanatri-maso ity herisetra ity no tezitra ary saika hikasi-tanana an-dramose. Raha ny fantatra, nalaim-panahy nividy « clarinette » ity mpianatra fa mafana ny andro, ka izy nanolotra vola tany ivelan’ny tamboho iny, satria tsy mahazo mivoaka ny faritry ny sekoly ireo ankizy, no nandalo tampoka ramatoa talen-tsekoly, ary romotry ny hatezerana ity farany ka nidaroka an’ilay zaza. « Zon’ny ankizy tsy midika hoe tsy azo sazina izy raha manao izay tsy mifanaraka amin’ny fitsipi-pihezana, fa ny fikasihan-tanana sy ny herisetra kosa tsy ekenay », hoy ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra maromaro nitaraina tany amin’ny Sefo Cisco any an-toerana.
Eric Manitrisa
Pour plus d’informations et d’analyses sur la Madagascar, suivez Africa-Press